Rivotra aza aho: traduction-Irène Randrianarisoa-Rasendra

Nampidirin'i nivohanta | 5 Feb, 2011

 

 

 

nivohanta:anarana artiste

 

 

RIVOTRA AZA AHO...

 

Mpanoratra tononkalo aho.mbola tsy nisy nivoaka boky ireo noforoniko fa ireo nadika no efa nivoaka:

 

1.1994 Etudes de l'Océan Indien numero 17-CEROI.INALCO

 

Poésie de Madagascar et des Comores:Dox (1913-1978) oeuvre poétique et traduction

 

Nivohanta RASENDRA

2.2009 parution dans :"Dox écrivain et musicien à Madagascar" de Dominique RANAIVOSON d'une quinzaine de poèmes de Dox que j 'ai traduis

Edition Sepia et Tsipika

 

3.Dox (1913-1978) Poésie malgache et dialogue de cultures

Irène RANDRIANARISOA-RASENDRA

 

Préface d'Elie RAJAONARISON:"une redécouverte de Dox"

Edition Tsipika fevrier 2011 

 

Atolotra anareo izany ity "Rivotra aza aho" tononkalon i Dox nadika amin ny teny frantsay.Tononkalo anisan 'ireo 38 ho hitanao ao amin ilay boky nosoratako voalaza etsy ambony (3).

 

 

RIVOTRA AZA AHO...

Izato ianao mihamikamina

Anaty tory soa milamina

Tsy manahy maso mijery

Reno tory samy irery...

 

Rivotra aza aho ka rivotra

Ka ao amiko no ho difotra

Ny tenanao matory izao

Ho vita lasitra ao ianao!

 

Dia hanafosafo mora

Ny tenanao bakorakora

Izaho Rivotra rahavako...

 

Ho akanjonao manify

Ka ho satrinao tsy hidify

Ny safosafon ny fitiavako...

 

 

 

SI J ETAIS LE VENT...

 

Que tu es belle

Dans ton paisible sommeil,

Ne craignant pas un regard indiscret.

Sommeillant seule.

 

Si j'étais le vent,

Alors en moi disparaitrait,

Ton corps qui sommeille,

Et son empreinte s'y graverait!

 

Et je caresserais doucement

Ton corps svelte,

Moi le Vent ma Bien- Aimée..

 

Je serai un vêtement aérien,

Et tu aimerais que les caresses,

De mon amour jamais ne cessent...

 

irene randrianarisoa rasendra

nivohanta:anarana artiste

 

Flickr

Nampidirin'i nivohanta | 4 Feb, 2011
irene randrianarisoa rasendraThis is a test post from flickr, a fancy photo sharing thing.

Tonga soa nivohanta!

Nampidirin'i nivohanta | 20 Jan, 2011

Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandr1.nivohanta à reims
2.allee des baobabs.noro radilimanatsoa rasendraindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.

 

 

Dia miarahaba ny mpisera rehetra sy ireo mpankafy ny haren tsaina malagasy...Mirary taona 2011 ho zina ho an ny rehetra,ary indrindra mba ahita rariny ny firenena...hilamina sy andry fehizay ,afahan ny tsirairay mifantoka amin ny antom pivelomana mahomby sy afahana marina mikarakara ny ankohonana...dia samia ho tahin Andriamanitra ... 

 

Ny vaovao tsara tiana ampitaina moa izany dia hivoaka amin ity faran ny volana janoary ity ny boky nosoratako:

"Dox (1913-1978):Poésie malgache et dialogue de cultures"

Edition Tsipika,janvier 2011

Irène RANDRIANARISOA-RASENDRA

Memoire de maitrise 1991 à l INALCO Paris.Mention très bien avec une recommandation des jury pour une publication.pr Pierre VERIN no président de jury.Nodimandry tamin ny 2010 izy.

Ho asiana fihetsika manokana ao amin ny Inalco rahefa hivaoka amin ny fomba ofisialy ny boky.Ho lazaiko aminareo amin ny manaraka ny daten andro.Ho an 'ireo liana te hamaky aloha ireo tononkalo nadika dia misy 15 ao amin ny boky nosoratan i Dominique Ranaivoson :"Dox écrivain et musicien à Madagascar".nivoaka tamin ny volana septambra 2009.Edition Sepia sy Tsipika.

Manoratra tononkalo koa aho.Ho avoakako eto amin ny manaraka...Atolotra manokana ho an ny olona akaikin ny fo: Rivo RAKOTOMAVO io boky voalohany io...Efa misy boky faharoa homanina any,nokasaina havoaka amin ny octobre 2011.Mbola mikasika tononkalo malagasy ihany.

 

Dia mahazoa fahafinaretana mamaky ireo tononkalo...

 

nivohanta

 

 

ANILANAO

Nampidirin'i nivohanta | 15 Jan, 2011

 Miala liana anilanao,

Paradisa eto an -tany

Rotsiritsin' ny feonao...

 

Henikin' ny hasambarana,

Toloranao tambitamby,

Miaro angolangola...

 

Tojo izay nandrandraina,

Ao aminao ny fanamperana,

Tsy manan-javatra irina...

 

Fitiavana manana amby,

Nokombonina ela am- po,

Fahasambarana maharitra...

 

Mousseaux les Bray  17 07 2010


RITSOKA

Nampidirin'i nivohanta | 11 Jan, 2011

 

RITSOKA...


Ritsoka mangina,
Avy ao anatiko ao,
Kalokalo avy aminao,
Ony nitondra ahy,


Eo anilanao...


Osaosa,hendradrentratra,
Manina sy manembona,
Anao sy ny mombanao...
Atsaharo ny toloko,


O ry foko mitonia....

 

Nancy mai 2010