Tonga soa nivohanta!

Nampidirin'i nivohanta | 20 Jan, 2011

Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandr1.nivohanta à reims
2.allee des baobabs.noro radilimanatsoa rasendraindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.

 

 

Dia miarahaba ny mpisera rehetra sy ireo mpankafy ny haren tsaina malagasy...Mirary taona 2011 ho zina ho an ny rehetra,ary indrindra mba ahita rariny ny firenena...hilamina sy andry fehizay ,afahan ny tsirairay mifantoka amin ny antom pivelomana mahomby sy afahana marina mikarakara ny ankohonana...dia samia ho tahin Andriamanitra ... 

 

Ny vaovao tsara tiana ampitaina moa izany dia hivoaka amin ity faran ny volana janoary ity ny boky nosoratako:

"Dox (1913-1978):Poésie malgache et dialogue de cultures"

Edition Tsipika,janvier 2011

Irène RANDRIANARISOA-RASENDRA

Memoire de maitrise 1991 à l INALCO Paris.Mention très bien avec une recommandation des jury pour une publication.pr Pierre VERIN no président de jury.Nodimandry tamin ny 2010 izy.

Ho asiana fihetsika manokana ao amin ny Inalco rahefa hivaoka amin ny fomba ofisialy ny boky.Ho lazaiko aminareo amin ny manaraka ny daten andro.Ho an 'ireo liana te hamaky aloha ireo tononkalo nadika dia misy 15 ao amin ny boky nosoratan i Dominique Ranaivoson :"Dox écrivain et musicien à Madagascar".nivoaka tamin ny volana septambra 2009.Edition Sepia sy Tsipika.

Manoratra tononkalo koa aho.Ho avoakako eto amin ny manaraka...Atolotra manokana ho an ny olona akaikin ny fo: Rivo RAKOTOMAVO io boky voalohany io...Efa misy boky faharoa homanina any,nokasaina havoaka amin ny octobre 2011.Mbola mikasika tononkalo malagasy ihany.

 

Dia mahazoa fahafinaretana mamaky ireo tononkalo...

 

nivohanta

 

 

ANILANAO

Nampidirin'i nivohanta | 15 Jan, 2011

 Miala liana anilanao,

Paradisa eto an -tany

Rotsiritsin' ny feonao...

 

Henikin' ny hasambarana,

Toloranao tambitamby,

Miaro angolangola...

 

Tojo izay nandrandraina,

Ao aminao ny fanamperana,

Tsy manan-javatra irina...

 

Fitiavana manana amby,

Nokombonina ela am- po,

Fahasambarana maharitra...

 

Mousseaux les Bray  17 07 2010


RITSOKA

Nampidirin'i nivohanta | 11 Jan, 2011

 

RITSOKA...


Ritsoka mangina,
Avy ao anatiko ao,
Kalokalo avy aminao,
Ony nitondra ahy,


Eo anilanao...


Osaosa,hendradrentratra,
Manina sy manembona,
Anao sy ny mombanao...
Atsaharo ny toloko,


O ry foko mitonia....

 

Nancy mai 2010

 

SILAKIN NY AINA

Nampidirin'i nivohanta | 10 Jan, 2011

 

 

SILAKIN NY AINA

Manembona ireo omaly,
Anivon' ny fanamperana...
Nilomano anatin ny hasambarana,
Dinan ny tanteraka...

Foana izao rehetra izao,
Mievaeva an habakabaka...
Ny feonao mandrotsirotsy,
Ny hehinao mamelombelona...

Aiza ilay Silakin ny Aina?
Antsoina toa tsy manohina...
Antsa ho anao...Renao ve ny ritsony?

Iny volana manirery sisa,
Vavolombelon ireo tsiahy
O!Rahoaviana no hikalo?

 

Mousseaux les Bray
10 01 2011

 

île sainte marie 2001

photo d' irène randrianarisoa-rasendra

TOJO ANAO...

Nampidirin'i nivohanta | 9 Jan, 2011
TOJO ANAO

 

Hantahanta,angolangola

Azo avy aminao...

Safosafo,tsikitsiky

Hanembonana anao...

Tambitamby,hirahira

Anananao an' alinalina...

 

Ao aminao avokoa,

Ireo nofy rehetra...

Tongava ry Malala,

Sasa miandry ny Tiana...

Kalokalo sesilany,

Handrotsirotsy antsika...

 

Hivazo tsy hiato,

Ny fanahiko sy ny anao...

Dia ho tojo ny fanamperana,

Nirina hatrizay...

Hisononoka mora,

Ny androntsika izao...

 

 

Nancy 15 05 2010