TOJO ANAO...

Nampidirin'i nivohanta | 9 Jan, 2011
TOJO ANAO

 

Hantahanta,angolangola

Azo avy aminao...

Safosafo,tsikitsiky

Hanembonana anao...

Tambitamby,hirahira

Anananao an' alinalina...

 

Ao aminao avokoa,

Ireo nofy rehetra...

Tongava ry Malala,

Sasa miandry ny Tiana...

Kalokalo sesilany,

Handrotsirotsy antsika...

 

Hivazo tsy hiato,

Ny fanahiko sy ny anao...

Dia ho tojo ny fanamperana,

Nirina hatrizay...

Hisononoka mora,

Ny androntsika izao...

 

 

Nancy 15 05 2010